Samy mafoaka (Jerry marcoss et Mima)

[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Thursday, 21 December 2006 at 10:01 AM

Amboara sauce (Jerry Marcoss)

# Posted on Thursday, 21 December 2006 at 9:59 AM

TOVO J'HAY "Teny Mamy"

TENY MAMY

Ireo teny mamy nolazaiko
Hanambitamby anao
Matokisa Sombinaiko
Fa tsy miova hatram'izao
Hatezerako ombieny ombieny
Nankararirary fo
Aza raisinao ireny
Aoka hivalona avokoa

REF: Fa ianao irery no nilaiko
Ianao ilay nofinidy
Mahay mandamindamina ny saiko
Diamondra sarobidy

Raha misy ny adalako
Olombelona tokoa
Aoka re mba hofafàko
Dia ovaiko ho zava-tsoa

Ireo sangisangy izay fanao
Orokoroka fahiny
Raha mety re ianao
Averiko eto ankehitriny
Ireo bedibedy izay tsy tanty
Ka nandreraka ny loha
Tsy ataoko intsony mandra-maty
Izao dia izao aho dia hiova

# Posted on Wednesday, 20 December 2006 at 2:54 PM

TOVO J'HAY "NOFY LALINA"

NOFY LALINA


Lay endrikao zay nahasarika ahy
Lay toetranao tsara fanahy

Malefadefaka fijery,
Maontina fomba sy fiteny

Reny rehetra ireny
No nahatonga ahy hanofy anao

NOFY LALINA, tanaty alina
Izay niainantsika sy ianao

REF: Lay nofy mamy mampanontany
Hoe vita lasitra ato an-tsaiko
Tsy hay vonoina, ho adinoina
Tandindona foana ianao ry aiko

Hira zay noventesintsika roa
Tanaty nofy kanto tokoa

Ny fo niventy azy hono tena feno
Mikalo ity hira tsy faheno

Oroka safosafo
Ho solon-tsakafo

Reo sangisangy sy vazivazy
No tena nampiavaka azy

Fa hadisoako ve ny hiteny hoe (bis)
Misy lanja be dia be

# Posted on Wednesday, 20 December 2006 at 2:34 PM